Hanao fetin’ny Noely eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina mianakavy raha tsy misy ny fiovana. Efa fanaony isan-taona izany sady teny an-toerana koa no nitondrana am-bavaka sy ny nanombohany ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana farany teo.
Efa nihena ny isan’ireo mpitandro filaminana miatrana etsy Analakely, hatramin’ny nahavitan’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy hita eny an-toerana intsony ireo kamiao sy fiara 4×4 misy azy ireo. Efa ahitana tranoheva sy kilalao ho an’ny ankizy ny kianjan’ny 13 mey.
Tsy mankasitraka ny fidinana an-dalambe ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM). Nambaran’izy ireo tamin’ny fanaterana taratasy teo amin’ny ambasadin’i Frantsa, afakomaly, fa ilaina ny diniky ny samy Malagasy ka hasintaka kely aloha i Frantsa.
Hanao tatitra momba ny fanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena tany RD Congo ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, anio, any an-toerana. Anisan’ireo iraka nanara-maso izany ny tenany, miaraka amin’ny MOE eo anivon’ny Vondrona Afrikanina.