Fifaninana any Thaïlande: nahazo “record national” i Tendry

Mivoatra hatrany ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy, amin’ny fiofanana izay ataony any Thaïlande, eo amin’ny taranja lomano. Vao avy niatrika fifaninanana iray izy tamin’ity herinandro ity ary nahazo “record national” sy nahavita nanatsara ny zava-bitany. Teo amin’ny 200 m Dos no nahavitany izany, tamin’ny fe-potoana 2’25” 47 raha toa ka 2’25” 70 ny teo aloha. Tsy izany ihany fa nahazo medaly volamena izy tamin’ity fifaninanana natrehany ity. “Thaïlande Age Group Swimming Short Course Championship” no anaran’io fifaninanana io ary tafiditra anatin’ny vatsim-pianarana izay hataony any an-toerana izany, ahafahana mijery ny fivoarany sy ny fahaizany. Tsiahivina fa Tendrinavalona Idealy no Malagasy mpilomano voafidin’ny World Aquatics hisitraka ity vatsim-pianarana ity, mandritra ny iray taona.

Mi.Raz

Partager sur: