Fitantanana loza : nohazavaina ny lalàna amin’ny fampiasana  drones 

Nanazava ny lalàna sy ny rijan-teny rehetra tokony ho fantatra mahakasika ny fampiasana drones, ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC sy ny PAM, nandritra ny herinandro, tany Taolagnaro. Tao koa ny tomponandraikitra avy eo amin’ny fitaleavana jeneralin’ny fifamoivoizana ana habakabaka sivily eto Madagasikara. Izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitandroana ary ny fiantohana ny fandriampahalemana sy ny filaminana amin’izany sehatra izany.
Mandroso ny lafiny teknolojia mahakasika ny sehatry ny fampiasana drones nefa tsy maintsy manaja hatrany ny lalàna misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tokony ho samy mandray izay tandrify azy ny tsirairay tsy ho baranahiny ny fomba fiasa ao anatin’izany, indrindra eo amin’ny ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza, hoy ny solontenan’ny tale jeneralin’ny BNGRC. Nandray anjara tamin’ny fivoriana teknika ny PAM, Unicef, UNFPA, AFC, CPC, ary ny Tafika Malagasy. Fotoana nahafahan’ny ACM nanangona sy nandray ny tolo-kevitra avy amin’ireto mpiantsehatra ao anatin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza ireto ny fihaonana.

Vonjy

Partager sur: