Hiverina hisokatra manomboka rahampitso sabotsy 23 desambra ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara rehefa niato volana vitsy lasa izay. Hanamora ny fitateram-bokatra sy ny entana amin’ireo faritra roa ireo ity zotra an-dalamby ity. Hampifandray an’ireo tanàna manodidina fa indrindra hampiroborobo ny toekarena sy ny fizahantany ao an-toerana ihany koa. Hanampy ny fifamoivoizana indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana ity zotra an-dalamby ity. Handalo amina gara 18 sy tetezana 75 ary tonelina 48 ny lamasinina. Tombony ny fahitana ny hakanton’ny tontolo maitso amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny toy ny ala, tendrombohitra, riandrano, tanimbary, renirano. Niverina ny volana jona teo ny zotra saingy niato ny 20 septambra teo, taorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho teo Tanakidy Ambahatrazo.
Tsiahivina fa mirefy 163km ny lalamby izay naorina nanomboka ny taona 1926 ka hatramin’ny 1936 mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara.
Henintsoa H.