Fizahantany : nanodina horonantsary teto Madagasikara ny Bollywood

Tonga teto Madagasikara ny ekipan’ny trano famokarana sarimihetsika goavana indiana Bollywood. Nanodina horonantsary tany Toliara sy teto Antananarivo izy ireo, andaniny, sady hampiroborobo ny fizahantany mankaty Madagasikara, ankilany.

Resy lahatra ! Nisafidy an’i Madagasikara ny trano mpamokatra sarimihetsika malaza sady goavana indrindra any India, Bollywood, noho ny hakanton’ity Nosy ity. Nanodina horonantsary « clip » eto amintsika izy ireo, ny 17 hatramin’ny 21 desambra teo. Natao tany Toliara sy teto Antananarivo, naka ny horonantsary mahakasika an’i Madagasikara. Nanohana ny fanatontosana izany ny Ofisim-pirenena misahana ny Fizahantany eto Madagasikara (ONTM), miaraka amin’ny minisiteran’ny Fizahantany (Mintour), amin’ny alalan’ny tetikasa Tendro anatiny mitondra fitomboan-karena (Pic).
Nilaza ny mpandrindra ao amin’ny ONTM, Rabema­na­njara Lalaina, fa ataon’ny governemanta malagasy laharam-pahamehana ny fitrandrahana ny tsenan’ny fizahantany indiana. Faharoa, entina hampahafantarana ny hakanton’i Madagasikara sy ny fizahantany, satria haingana be ny fiparitahany amin’ny alalan’ny horonantsary sy rakitsary.
Olo-malaza telo indiana no anisan’ny mandray anjara amin’ilay horonantsary. Ani­san’izany i Deepak Joshi, kalaza amin’ny sehatry ny tambajotra sosialy (influenceur) indiana sy maneran-tany. Eo koa i Choudhary Pratibha sy Singh Mairina, samy olo-malaza iraisam-pirenena ao amin’ny Bollywood. Resy lahatra tanteraka amin’ ny hatsaran’i Madagasikara izy ireo, toy ny tontolo any Sarodrano, ny ala Reniala na Baobab, ny torapasika mo­rontsiraka fotsy, ny ranomasina manga maitson’Ifaty, sns.

Hiverina aty Madagasikara
Anisan’ny voarakitra ao anatin’ny horonantsary koa ny toerana mahaliana sady manantantara eto An­ta­na­narivo toy ny taon-trano sy ireo fiangonana marobe eny amin’ny faritra avo eto an-dRenivohitra, sns.
Hivoaka amin’ny janoary 2024 ny horonantsary novokarin’ny Bollywood. Nitsotra anefa izy ireo fa hiverina aty amintsika indray amin’ny taona hoavy io, hamokatra « film », omena ny lohateny hoe « Back to Madagascar ». Saika tatsy amin’ny Nosy Maorisy no nanaovan’izy ireo azy, saingy resy lahatra rizareo fa maro ny hatsarana sy ny hakanto eto amintsika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: