Nivoaka ny alarobia lasa teo ny boky “Mais où vont-ils tous?”, nosoratan’i Dominique Ranaivoson. Razanadriaka Lalao Elina no nandika azy, nanao ny sary kosa i Doda. Ny Mpariaka boky kosa no niandraikitra ny fanontana. Boky ahitana tantaran-tsary, mampahafantatra sy maneho ny zava-misy iainana eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny tontolon’ny jeografia eto Madagasikara. Tilina manokana amin’ny famoahana ny boky ireo ankizy. Tsy natao an-jorom-bala anefa ny olon-dehibe, noho izy misy fahalalana ho an’ny rehetra.
Nitombo indray ny boky ahafahana manabe sy mitaiza, avy amin’ny Mpariaka Boky. “Mais où vont-ils tous?”, misy dika amin’ny teny malagasy, “Fa ho aiza àry izy ireo ?”. Boky natao hampiala voly sy hampahalalana ary hitondra fanabeazana. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, nosafidiana manokana ny hanaovana azy ho dikanteny roa mba hahamora ny fandraisana sy fahazoana azy. Tato anatin’ny telovolana farany, niisa efatra ny boky fanabeazana ho an’ny ankizy navoakan’izy ireo.
Lin