Entina hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola sy hanaraha-maso ireo orinasa mitsangana eto Madagasikara ny tanjona napetraky ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) nandritra ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny foibem-pitantanana natao ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (centre de gestion agréé, CGA) tetsy Analakely, omaly. Tombony amin’ny CGA ny fanamorana ny fampindramam-bola avy amin’ireo mpamatsy vola na ireo eo anivon’ny banky, ny fanamaivanana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fandraharahana. « Mba hahafahan’ireo orinasa madinika hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna no antony nananganana ny CGA », hoy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana. Nilaza izy fa sakana ho an’ny orinasa madinika ny fandoavan-ketra saingy misy fanampiana omen’ny foibe fitantanan-ketra (DGI) an’ireo orinasa madinika ireo mba ho tafiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna izy ireo. Atao izany mba hitsinjovana sy hampaharitra ny sehatrasa najoro.
Mifameno ny orinasa vaventy sy madinika. Manana andraikitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ihany koa ny orinasa madinika. Noho izany, hanara-maso ny fitantanana ara-bola ny orinasa madinika ny CGA. Hisy ny fampiofanana omen’ny DGI entina hanatanterahana izany.
Henintsoa Hani