Nanatanteraka fiofanana ho an’ny mpitsara eo anivon’ny seksiona Mahajanga I, ny Coach Lobo sy i Yvon Avry. Miisa 28 mirahalahy izy ireo no nisitraka ity fampiofanana ity. Tanjona ny hampiharana avy hatrany ny fiofanana natao eny anivon’ny klioba. Marihina fa tafiditra amin’ny fanatsarana ny baolina kitra any amin’io faritra io ny hetsika natao.
Hotanterahina anio, any Arabia Saodita, ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany; “Mondial des Clubs”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Fluminense Brésil sy ny Manchester City Angleterre no hiady ny amboara amin’izany. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Real Madrid no tompondakan’ny “Mondial de Club”
farany teo.
Mikarakara « Tournoi de Noel », ny ligin’Atsinanana, taranja Judo. Fifaninanana hotanterahina rahampitso sabotsy 23 desambra, ao amin’ny CRJS Toamasina. Sokajy 3 no hifaninanana amin’izany, ahitana ny Poussin(e)s, Benjamin(e)s ary ny Minime(s).
Efa nigadona any Manakara avokoa ireo mpandray anjara rehetra amin’ny « Gala Grand Prix », taranja kick boxing rahampitso sabotsy 23 desambra. Niroso tamin’ny fanadiovana ny toerana hanaovana ny fifaninanana ny tomponandraikitra omaly.