TARATRY ny KANTO

Mbola Talenta sy ny Rarri feo. « After Mandona be » no nataon’izy ireo anaran’ity fiarahana ity. Hiavaka amin’ny mahazatra hatramin’izay, ao amin’ny Karibotel Analakely, manomboka amin’ny 8 ora. Efa tsy zoviana amin’ny maro i Mbola talenta sy ny gitarany. Tovovavy maromaro manan-kozaraina kosa no mandrafitra ny Rarri feo, izay handahatra hira maromaro mandritra ny fiarahana.

“The Singers of Jesus” etsy amin’ny Ccesca Antanimena. Mazava loatra fa seho Noely no hatolotr’ity antoko mpihira ity, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Tsy izay ihany fa hampahafantatra an-tsehatra voalohany ny rakikirany vaovao ihany koa izy ireo. “Mandondona” ny lohateniny izay nampisalorana ny seho ihany koa.

Le Quartier By Pass – Fara Gloum. Ho sehatra ho an’ireo mpankafy vazo an-gitara indray ity toeram-pialamboly ity, anio alina. Hiaraka an-tsehatra amin’i Fara Gloum mandritra izany i Eric Rason, mpikambana tao amin’ny tarika Dadah R’Abel sy i Nini Kaolibera. Malalaka be ny hira halahatra saingy mifototra amin’ny gitara avokoa izany.

Faha-100 taonan’ny lycée Jules Ferry Fa­ravohitra. Andiana hetsika maro no homanina hanamarihina izany. Hanomboka anio, ao an-tokotanin-tsekoly ihany izany. Hanomboka amin’ny 10 h sy sasany ny lanonana, ka hisy mpanakanto nasaina manokana hanafana ny fotoana, toa an-dry Agrad & Skaiz, Rootsman, sns.

Partager sur: