Manao ny ataony mihitsy ny jiolahy mandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Maro tamin’ireo mpandeha taxi-be no voaroba finday sy firavaka volamena teny Anosibe sy lalana miditra ny Cenam 67 ha, omaly. Misy amin’ireo jiolahy no voalaza fa mamoha ny varavaran’ny fiara ka maka ny poketra na ny entan’ireo olona ao anaty fiara. Renim-pianakaviana iray naratra teny 67 ha noho ny fanendahana.
Voasambotry ny polisy teny Andralanitra, teo am-pivarotana rongony, ny lehilahy iray, omaly. Nanao fisafoana toy ny mahazatra ny tsena Manantenasoa Andralanitra ny polisy ka nahatsikaritra azy mivarotra zavatra mampiahiahy. Nandositra izy raha vao nahatazana ny polisy saingy voatazona. Niroso tamin’ny fisavana ny entana ny polisy ka fonosan-drongony marobe no hita teny aminy. Nilaza izy fa efa mpivarotra rongony eny an-toerana.
Taksiborosy iray mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka no tra-doza tampoka tao Anjiro RN2, omaly. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza ka tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily. Nivoaka ny arabe ny fiara ka nivadika tamin’ny sisin-dalana. Mpandeha valo tao anaty fiara naratra mafy. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Maty notrongisin’ny fiara 4×4 iray tao Zazafotsy, distrikan’Ihosy, omaly, ny omby enina raha naratra mafy
ny roa. Fandehanana mafy teo amin’ilay fiara tsy mifidy lalana no voalaza fa nahatonga ny loza. Afa-niala izany kosa ny tompony. Nivadika tany amin’ny sisin-dalana ka nahitana fahasimbana ity fiara ity.