Nametra-pialana ny governemanta notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian. Misahana ny fampihodinan-draharaha sisa ny ekipa miaraka aminy. Nihoraka izay tsy izy ny mpitolona, nanohana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Efa manantena ny valim-babena araka ny fampanantenana natao azy ireo.
Iza tokoa no tsy mahatadidy fa toky nomen’ny kandidà laharana fahatelo hatrizay ny hametraka ireo niasa sy nampandany azy amin’ny toerana mendrika azy. Tsy midika anefa izany fa dia natao varoboba na hanaovana amboletra ny fametrahana olona. Iaraha-mahalala rahateo ny herin’ny tambajotra. Misy ny vondrona isan-karazany efa natao hitantana an’i Madagasikara izy mianakavy sy ny taranany.
Tsy azo atao ny misioka raha tsy tafavoaka ny ala. Fadiana ny mitompo teny fantatra mialohan’ny fotoana. Traikefa efa hita ary saika nanimba ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fotoam-pitondrany voalohany rahateo izany. Namadika ireo tena nifofotra sy namono tena ho azy ny tompom-pahefana. Zary lasan’olona mpikaramanady sy mpamadika palitao ny fitantanana noho ny kitranoantrano sy resa-bola. Rehefa saika rendrika ny sambo…izy ireny no voalohany nitsipa-doha laka-nitana.
Na ny mpanendry na ny olona hotendrena amin’ny governemanta manaraka eo dia mila mailo tanteraka. Tsy misy tokony ho sodokan’ny lela mamy mifono hoditra akondro. Efa iaraha- mahalala rahateo fa betsaka ny miandry kendritohina. Maro no maniry ny tsy ahavitan’ny fotoam-pitondrana. Mety ho rediredin’ny olona mijery miiba izany, saingy famantarana tsy azo tsinontsinoavina amin’ny adidy goavana miandry ny Filoham-pirenena. Indrindra ny fahaizany mametraka ny fitokisany amin’ny olona tsy hamadika azy sy mahavita miady ho azy ! Fitia mifamaly mahatsara fihavanana io! Zava-dehibe ny fitovizan’ny tadin-dokanga.
r.r