Tratran’ny zandary ny telo lahy mpangalatra bizo any amin’ny RN31A, lalana mampitohy an’Antsohihy sy Bealanana, faritra Sofia, ny 19 desambra teo. Ahiahiana ho nanimba sy nangalatra ny bizo any Bekapa sy ny lalam-pirenena RN 31A izy ireo. Hampiakarina any amin’ny sampana fampanoavana ao amin’ny fitsarana Antsohihy ireo voampanga ireo.
Misanda 5015 Ar ny 1 euro amin’izao fotoana izao, raha ny tsenam-bola vahiny madinika. Izany hoe, amidy 4 973 Ar miainga any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), fa tsy maintsy misy ny tombony alain’ny mpaninjara ara-bola rehetra. Midika izany fa mitohy ny fitotonganan’ny sandam-bola Ariary, izay mampidangana ny vidin-javatra rehetra.
Natao tany amin’ny kaominina Andilanatoby, faritra Alaotra Mangoro, ny fizarana ny karatra matihanina mpamokatra ho an’ny tanora. Tanjona ny hizarana azy ireo ny taratasy fananantany amin’ny alalan’ny titra maitso. Nomena kojakojam-pamokarana toy ny taho-mangahazo sy tahom-bomanga, masomboly voanjobory ary zezika koa izy ireo.
Napetraka ny 20 desambra teo ny vatofototry ny birao miadidy ny famokarana zana-trondro (ZEP), any amin’ny fokontany sy kaominina Antanimora, distrika Ambovombe, faritra Androy. Tanjona ny hampitomboina ny famokarana trondro any an-toerana sady hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina.