Niteraka resabe… Vaovao niainga avy any Rôma momba ny fitsofan-drano ireo mitovy fananahana te hanorina tokantrano. Samy nanana ny nandraisany azy rahateo ny tsirairay. Saingy, ahatarafana ihany koa fa manao antsavily amin’ny tranonkala ny Malagasy.
Manahirana sy mila fitandremana fatratra ny fifampiresahana na ny fanehoan-kevitra manoloana ny filazana avy any amin’ny fiketrahana masina (Vatican) fa azo ataon’ny pretra ny mitsodrano ireo olona mitovy fananahana te hanorina tokantrano. Tsy azo atao ao anatin’ny Sorona Masina (anaty litorjia) anefa izany. Samy nanana ny nandraisany io filazana io ny tsirairay.
Niainga tamin’ireny fanehoan-kevitra ireny no ahafahana milaza fa very fototra ny Malagasy. Tsy voatazon’ny Malagasy intsony ny kolontsainy sy ny finoany ary ny fahalalany. Faharoa, tsapa fa voazarazara amina anaram-pinoana sy resa-pivavahana ary hevi-bahiny ny Malagasy. Hadinony tanteraka fa olona nivavaka sy nahafantatra ny fisian’Andriamanitra Andriananahary izy. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha », hoy izy manamafy fa mahalala tsara ny fisian’Andriamanitra Andriananahary izy.
Samy mandroritra izay hitsin’ny lohany sy ny fahalalany ny Malagasy tsirairay. Nikatsaka tohan-kevitra tatsy sy taroa. Nanazava, nifandresy lahatra, hatramin’izao !
Ilay « tsodrano » no tsy itovian-kevitra
Mbola voaporofo teto indray fa very fototra ny Malagasy. Nadika ho « tsodrano » avy hatrany ilay teny vahiny ka nampitsangam-bolo ireo mahalala sy mahafantatra tsara ny tena hevitr’izany sy ny hasina ao anatiny. Tsy mitsodrano na manome tsodrano olona manohitra ny lamina voajanahary ny Malagasy. Na any anivon’ny ankohonana na eny amin’ny fiarahamonina, sarotra ho an’ny Malagasy zoky sy ny raiamandreny ny hitsodrano ireo olona mitsipaka ny lamina voajanahary. Ho an’ny mahafantatra sy miaina ny fomba amam-panao malagasy, tsy midika ho fankahalana akory izany fa fametrahana ny hasin’ny atao hoe « tsodrano ». « Ny tsodrano zava-mahery », hoy ny Malagasy.
Na ho ela na ho haingana, hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina malagasy io fanapahan-kevitra manana endrika fankatoavana nataon’ny fiketrahana masina io. Satria, ny Malagasy efa voazarazara amina antokom-pivavahana (na antokom-pinoana) samy hafa. Ao ny manaiky fa hisy ny hitsipaka.
… Mila mandini-tena sy miverina mikaroka ny momba azy ny Malagasy mba tsy ho mora handairan-javatra mety hampisara-bazana !
HaRy Razafindrakoto