Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra ahafahana mampiroboro ny toekarena. « Tanjona ho an’ny taona 2028 ny hanatrarana ny mpandoa hetra ho1 tapitrisa ”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra (DGI), i Germain R. , taorian’ny fanolorana ny ivontoeram-pitantanana ny “Centre de gestion agréé” (CGA) an’ireo orinasa madinika sy salantsalany tetsy Analakely. Nambarany fa nahitana fitomboana 14% ny fampidiram-ketra tamin’ity taona 2023 ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 1 475 000. Izany hoe, niakatra hatrany amin’ny 4 233 miliara Ar izany, taham-piakarana azo tamin’ny alalan’ny sehatry ny indostria sy ny varotra. Nilaza ny tale jeneralin’ny DGI fa tanjona ny hampiditra hetra anatiny sy ho an’ny fadintseranana ho 5 492 miliara Ar ho an’ny taona 2024. Nambarany fa mahatratra 46% ny vesatry ny tsy ara-dalàna amin’ny toekarem-pirenena raha toa ka manodidina ny 80% ny vesatr’izany amin’ny sehatry ny asa. Hiroborobo ny toekarena raha toa ka tafiditra anatin’ny ara-dalàna ireo rehetra ireo, araka ny fanazavana voaray. Tsiahivina fa manodidina ny 375 000 ny mpandoa hetra, ny taona 2019.
Henintsoa H.