Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des jeunes sportifs (AJS) Mada Tsiadana. Araka izany, hisy lalao fihatsiana efatra eny an-toerana, amin’ny taranja Rugby. Marihina fa ny AJS dia sekoly ara-panatanjahantena mitaiza ny ankizy amin’ny alalan’ny Rugby. Tsara ny mampahafantatra fa hotolorana amboara ireo ekipa mandresy amin’
ity lalao fihantsiana ity.
Ankoatra izay, hisy ny hetsika fampahafantarana ity sekoly ara-panatanjahantena ity sy ny fanentanana ireo ankizy sy tanora hitia sy hanao fanatanjahantena. Tsiahivina fa miisa 100 mahery eo ny ankizy beazina ao, ary misy sokajy lahy sy vavy. Mialohan’ny lalao fihantsiana, hanokatra ny fotoana ny “Get into rugby”, fampilalaovana ny ankizy. Amin’ny 9 ora sy sasany, hisy ny lalao “match triangulaire”, ho an’ireo tanora latsaky ny 16 taona, hiarahan’ny lahy sy ny vavy (mixte). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny AJS Mada sy ny Madecas ary ny Alascam Alasora.
Fitia Randria
Ireo lalao fihantsiana efatra
10 ora 30: RCSA Ambohitsaina vs Magma
12 ora : JSTM Tsiadana vs RCM Manjakaray
1 ora 30 : ASTM Tsiadana vs COA Ambanidia
3 ora : XV Promotion Tsiadana vs Union Avaratra Antanimora