Mpangalatra gisa roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika, tao amin’ny fonja an’Ambatolampy, taorian’ny fampanoavana omaly. Nanararaotra ny fiavian’ny andro fety, nalain’izy roa lahy ireo antsokosoko ny gisa miisa sivy tao amin’ny tanànan’i Sahamadio, kaominina Ambohipihaonana. Tratra tao amin’io tanàna io ihany anefa ny iray tamin’ireo voalaza ho nanao ny fangalarana. Nentina natao famatorana ity farany ka nitoroka ny namany iray hafa izay tao Ambatolampy. Nentina natao fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana izy mirahalahy. Niafara amin’ny fihazonana am-ponja vonjimaika azy ireo izany. Naverina amin’ny tompony ny gisa nangalarina.
Tsiferana R.