Anisan’ny orinasa matanjaka amin’ny fifandraisan-davitra aty Afrika ny Airtel Africa. Tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifany, ary hotohizany ny fanitarana ny tolotra niomerika.
Miroborobo ny fifandraisan-davitra aty Afrika. Feno 150 000 000 ny mpanjifan’ny orinasa Airtel Africa ny 19 desambra 2023 teo. Araka ny fanambaran’ny foiben’ity orinasa ity, mihazakazaka ny fitomboan’ny mpanjifa, satria mihamaro ny tolotra amin’ny finday sy ny fifanakalozam-bola niomerika. Endriky ny fahavononan’ity orinasa ity hampiroborobo ny fiainan’ny mpanjifany izany.
Vao mainka hamafisin’ny Airtel Africa ny ezaka vitany ho an’ny hoavy. Ao anatin’izany ny fanitarana hatrany ny tolotra, ny fikarohana tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa, ka hampitomboina ny fampiasam-bola sady mitohy. Tanjona ny ahazoan’ny rehetra miaina sy mampiasa ny sehatra niomerika tsy ankanavaka na aiza na aiza.
Homen’ny Airtel Africa lanja manokana ny fikirakirana vola niomerika, ny fifandraisan-davitra aty amin’ny firenena amin’ny tapany atsimon’i Afrika, indrindra ny toerana mitoka-monina sy lavitra. Voakasik’izany daholo ny olon-tsotra, ny mpandraharaha ary ny orinasa.
Fibre optique sy 5G
Tsy mitsaha-mitombo amin’izao fotoana ny mangataka sy miandrandra tolotra niomerika mahasahana ny faritra rehetra amin’ny sarany zakan’ny tsirairay. Nomarihin’ny filoha tale jeneraly (PDG), Segun Ogunsanya, fa hisy ny tolotra vaovao tsara kalitao amin’ny lafiny niomerika. Anisan’ny hanatraran’ny Airtel Africa izany ny fanitarany ny tambajotrany, ka hampiasam-bola ho an’ny hoavy amin’ny fampiasana ny « fibre optique » sy ny tanjaka 5G.
Nisaorany ny mpiara-miombon’antoka rehetra, naneho hatrany ny fahavononany hiara-kiasa hatrany
amin’ny Airtel Africa, nahafahana nahatratra izao dingana lehibe, nahazoana mpanjifa 150 tapitrisa izao. « Dingana iray no vita, fa mbola hisy hafa vaovao sy marobe ho avy amin’ny taona manaraka », hoy ihany izy.
Njaka Andriantefiarinesy