Kitra – «Grand Tournoi d’Antananarivo» : hanalavela amin’ny Ajesaia ny Disciples FC

Fantatra avokoa ireo ekipa hidona amin’ny fiadiana ny manasa-dalan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”, taranja baolina kitra. Hifanehitra eo amin’ny manasa-dalana ny samy “Pro league”, ny Disciples FC sy ny Ajesaia.

Tontosa omaly zoma, teny Andoharanofotsy ny antsapaka ho an’ireo ekipa efatra tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny “Grand Tournoi d’Antana­narivo”, taranja baolina kitra. Fantatra tamin’izany fa hidona ny Ajesaia sy ny Disciples FC ary hifampitana ny US Pro sy ny Elgeco Plus. Lalao hatao eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady 7 janoary 2024.
Anisan’ny fihaonana an­drasan’ny rehetra ny an’ny boaikelin’ny Ajesaia sy ny Disciples FC. Ekipa diso mifankahalala tsara satria samy ao amin’ny “Pro league” avokoa. Hanalavela amin’ny ekipan’i Bongolava, amin’ity, ny Disciples. Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 2021 ny fihaonana farany teo amin’ny roa tonta, nandritra ny lalao manasa-dalana niadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara. Resin’ny Ajesaia, tany amin’ny fandakana “tirs au but”, tamin’izay, ny ekipan’i Vakinankaratra. Hiendrika famaranana kely, araka izany, ity fihaonana ity.
Lalao iray hiavaka ihany koa ny an’ny US Pro sy ny Elgeco Plus. Hiezaka hanohitra ny US Pro, hany tsy eki­pan’ny “Pro league” miatrika izao ankatoky ny famaranana izao. “Vonona izahay na hoe hikatroka amin’ny ekipan’olon-dehibe aza. Irarianay fotsiny ho lalao madio fa tsy hijerena izay maha klioban’ny filohan’ny federasiona”, hoy i Tolotra, sekreteran’ny ekipa US Pro.
Nanatrika ny antsapaka ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta). Nanambara ity farany fa miditra amin’ny fanalavam-potoana ny ekipa raha ady sahala ary miafara amin’ny fandakana “tirs au but” raha tsy mbola misy mivoaka ho mpandresy.

Tompondaka

 

Partager sur: