Lapan’Ambohitsorohitra : handray ny “Krismasy fandresen’ny fitiavana”

Mampiavaka an’Antananinarenina sy ny manodidina ny kilalaon-jiro rehefa vanim-potoan’ny Noely sy faran’ny taona. Niampy indray ny fialamboly eto an-drenivohitra, rehefa fantatra fa hisokatra ho an’ny besinimaro ny Lapam-panjakana ao Ambohitsorohitra, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 7 janoary. Mahazo mitsidika ny lapa izay rehetra liana, isan’andro manomboka amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina.
“Krismasy fandresen’ny fitiavana” ny lohahevitra amin’ity, izay natao ho fialambolin’ny vahoaka tsy ankanavaka no fanamarihana izany fety lehibe izany ihany koa. Ankoatra ny kilalaon-jiro mahavariana, hisy seho maroloko ihany koa eny an-toerana.
Mifameno amin’izay ihany koa ny “Noelin’Iarivo”, eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Kilalao sy fialamboly isan-karazany, natao ho an’ny fianakaviana iray manontolo ihany koa no eny. Hisy ihany koa ny fampisehoana “Noely ho an’ny rehetra”, izay hatao ny alahady 24 desambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva.

Zo ny Aina

Partager sur: