Minisiteran’ny Mponina: 600 ireo mpiasa notolorana fanomezana

Nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy nahavita ny asa nifarimbonana nandritra ny taona ny minisitra Soafilira Princia, omaly. Nanomana fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa 600 ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ny tenany.
Vary 25 kg, menaka, gisa ary karazan-tsakafo iatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona no natolotra. Tanjona ny hahafahan’ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny minisitera hifety toy ny ankohonana rehetra, hoy ny minisitra Soafilira Princia.
Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka nahafahana nanao ny fanomezana fahafaham-po ny mpiara-miasa.
Nanamafy ny fifampitokisana eo amin’ireo mpiasa sy ny mpitarika ny minisitra, hitombo hatrany izany hisian’ny fahombiazana amin’ny asa iaraha-mampandroso amin’ny fiahiana sosialy amin’io taona vaovao io.

Tatiana A

Partager sur: