Nivarina tao ambany tetezana : potika ilay fiara 4×4, olona 6 indray maty

Olona dimy indray maty tsy tra-drano, iray maty tany amin’ny hopitaly. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho teo amin’ny tetezana Estapro, kaominina Antsakoamanondro, distrikan’Ambanja, faritra Diana, omaly vao maraina.

Olona roa hafa kosa naratra mafy (namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly, omaly hariva ny iray) ka nalefa any amin’ny hopita­lin’Ambanja. Fiara 4×4 iray marika Hyundai Galoper II, avy any Antsiranana no nivoaka ny lalana ka nanidina tao ambany tetezana mirefy eo amin’ny 20 metatra eo ho eo rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana. Voa­lazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa nandeha mafy ny mpamily, kanjo teo am-pidirana ny tetezana no nitranga tampoka ny loza satria tsy tafiditra intsony ny mpamily ka nivarina tany amin’ny sisiny ary latsaka tao anaty rano. Simba tanteraka niforitra roa mihitsy ny vatan’ny fiara. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambanja niaraka tamin’ny polisy ary ireo fokonolona nanao ny vonjy aina. Nifano­me tanana tamin’ny famoahana ireo olona tao anaty fiara izy ireo sady nandefa haingana ireo maratra nihazo ny hopitaly. Ireo mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona koa no nampiakatra ny fiara.

Hanenjika sambo ao Nosy Be…

Ahitana mpitaridia ny telo lahy amin’ireo namoy ny ainy, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary. Avy niasa tamina sambo iray tao Antsiranana izy ireo ka hanenjika io sambo io indray ao Nosy Be, kanjo izao niharan-doza izao. Maratra mafy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’Ambanja ny olona iray. Nitondra fanen­tanana ho an’ireo mpampiasa lalana eny amin’ny lalam-
pirenena ny zandary amin’izao ankatoky ny famaranana ny taona izao mba samy hitandrina. Tampoka rahateo ny fitrangan’ny loza, ka nampitandrina ny mpamily ny zandary tsy hilalao ny ain’ny mpan­deha.

Jean Claude

Partager sur: