Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Ankorondrano, ny hajia vaovao hanomezam-boninahitra an’i Rado na Andriamanantena Georges, ilay mpanoratra fanta-daza. Niaraka natolotra nandritra io fotoana io ihany koa ny hajia iray hafa maneho ireo karazana sokatra dimy tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.
Manan-kery sy mbola miasa ny hajia na dia tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny niomerika aza isika. Ahafahana mandefa entana eto an-toerana sy any ivelany izy sy entina hanamarihana vanim-potoana iray ary anisan’ny fitaovana manandratra avo ny kolontsaina malagasy. Ankoatra izay, mampidi-bola ho an’ny paositra malagasy ny fivarotana ny hajia fa indrindra ho fampahafantarana an’i Madagasikara sy ny tantarany. Antony nahatonga ny paositra malagasy namoaka ny hajia ho an’i Rado, ankalazana ny faha-100 taonany.
Harena
Manana harena tsy fahita maneran-tany i Madagasikara, indrindra ireo karazana sokatra. Nisy, araka izany, ny fiaraha-miasan’ny paositra malagasy sy ny Turtle survivor alliance (TSA) amin’ny fanaovana hajia an’ireo sokatra dimy mampiavaka ny firenena malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny sokake, ny Angonoka, ny Kapibato na Sokapila, ny Kapibolo ary ny Rere. Marihina fa fitaovana iray mampahafantatra ny zavamananaina eto Madagasikara ny paositra malagasy.
Henintsoa Hani