Nisedra olana lehibe ny fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ity taona ity satria nivoaka mialoha ny laza adina ho an’ny taranja Tantara sy Jeografia. Nahitana tsy fahatomombanana koa ny sampana teknika.
Nanamarika ity taona 2023 ity teo amin’ny fampianarana ny savorovoro nandritra ny zotram-panadinana bakalorea noho ny laza adina nivoaka mialohan’ny fotoana ho an’ny taranja Tantara sy Jeografia, amin’ny sokajy A1, A2, C ary D. Niandry ny laza adina fiandry vao natonta indray ny mpiadina satria niova avokoa ny laza adina rehetra manerana ny Nosy, ho an’ny sokajy A, C, D. Notazomina ny adin’ny efatra faharetan’ny fotoana a¬naovana ny adina ka tratra alina ny firavana. Polisy 1 600 no nahetsika hitandro ny fandriampahalemana tamin’io alina io.
Vokatr’izay, noraisina ny fepetra nandritra ny filankevitry ny minisitra ka naverina ny laza adina fa nanana safidy ny mpiadina na hanatanteraka izany na tsia. Nanambara ny minisitry ny Fitsarana fa tsy hilefitra amin’izay nahatonga ny tranga.
Nandritra ny fotoam-pitsarana ny taratasim-panadinana indray, nisy olana koa ka niteraka adihevitra ny taranja Fizika sy Simia ho an’ny sokajy S. Tsy tafiditra tao anatin’ny fandaharam-pianarana ny laza adina. Voakasika ny Physique nucléaire, ny Electromagnétique tapany voalohany ary ny Mécanique tapany faharoa. Taorian’ny fifandresen-dahatra, tapaka fa tsy misy ny “bonus” homena ny mpiadina, araka ny fanazavan’ny mpitsara. “Coefficient 6” ny taranja Fizika Simia ho an’ny sokajy S. Nisy ny tandrevaka avy amin’ny mpamolavola ny laza adina, ny mpiadina no mizaka ny vokany. Ho an’ny sokajy C, nisy tsy fahatomombanana koa ny taranja Matematika. Novolavolaina tsy ho vitan’ny mpiadina anatin’ny fotoana voafaritra kosa ny taranja Fizika sy Simia ho an’ny sokajy D. Na teo aza ny olana voamarika tsy nisy ny “bonus” nomena.
Tsy ampy ny laza adina …
Nisehoana olana koa ny bakalorea sampana teknika ho an’ny andiany faharoa (2ème série), nitaraina ireo mpiadina fa tsy ampy ny laza adina to¬kony ho nomena momba ny taranja «Schéma automatisme». Nisy laza adina fanampiny tokony hofenoina fotsiny nefa tsy nozaraina ka voatery namorona vaovao ny mpiadina, noho izany, tsy vita hatramin’ny farany ny famaliana ny fanontaniana rehetra vokatry ny lesoka, hoy ny fanazavan’ny mpiadina iray. Manana lanjanisa efatra (Coefficient 4) ilay taranja sady fototra amin’ny lalam-piofanana nefa nisy tandrevaka avy amin’ny tomponandraikitra.
Vonjy