Tsy ho kirizy mafy…

 

Injay izany fientanam-po, vao misaina kely fa higadona ny Noely na ny Krisimasy! Vanim-potoana kely mba hisentoana sy hakana aina amin’ny rotorotom-piainana. Andro iray izay hanehoan’ny mpianakavy ny fifankatiavana misy eo aminy. Hamoriana ny avy lavitra rehetra, indrindra ho an’ny manan-katao. Vanim-potoan’ny fifamelan-keloka, indrindra ho an’ireo manana fo madio. Lanonambe ho an’ny mpanambola.
Andro iray ihany koa mba hiezahan’ny isan-tokantrano miara-mifaly. Manadino anatin’ny fotoana fohy ny adim-piainana izay mikiky isan’andro. Na inona na inona tsy fisiana, tsy maintsy mitady hirika ny hampifalifaliana ny vady aman-janaka. Minia mikipy manoloana an-drafahantrana mba hitady saribakoly kely na fiarakely madinika ho an’izato menaky ny aina. Miezaka ny mba hividy hena mba hampatsirotsiro ny vava.
Tsy fetifety anefa ny Krismasy fa andro iray hoenti-mandinika sy mijery ny lalan-kombana ho an’ny manam-panahy. Fotoan’ny jery todika sy ny tombana, ara-batana, ara-tsaina, indrindra ny ara-panahy. Ity farany no tena zava-dehibe satria ny fanahy no olona. Izay rahateo no anisan’ny tsy maintsy tokony hataon’ny Malagasy ho vaindohan-draharaha amin’ny zavatra rehetra ataony. Manome lanja ny hasin’ny maha izy azy. Toko telo mahamasa-nahandro ho an’ny fahombiazan’ny olombelona rahateo ny fahaizany mikolokolo azy telo ireo. Tsy mandeha ila!
Ny fotoan’ny Noely tahaka izao, araka izany, no handraisan’ny tsirairay fanapahan-kevitra goavana amin’ny fiainany na hirona any amin’ny tsaratsara kokoa na hijanona amin’ny toerana misy azy. Mitaky ezaka izany, tovozina amin’ny filozofia fonosin’ny Krismasy. Ny fahaterahan’ny mpamonjy ho an’ny kristianina dia fampaherezana hafa hirosoana amin’ny lala-mahitsy. Ho an’ny tsy mpino an’i Kristy kosa, fanararaotana hialana amin’ny fahalemena isan-karazany. Fanovozam-panoitra handresy ny adim-piainana…tsy ho kirizy mafy intsony.

r.r

Partager sur: