VAOVAO TAMBATRA

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ny fenitra sy ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fety izao. Mitarika ny hetsika ny kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra eny anivon’ny minisitera. Noentanina ny mpivarotra hijery tsara ny datin’ny entana amidy sy hikajy hatrany ny fahadiovany.

Voarara ny fanjonoana, ny famarotana, ny fividianana ary fitaterana ny oratsimba amin’ny endriny rehetra manomboka ny voalohan’ny volana janoary 2024 misasak’alina ka hatramin’ny 31 marsa 2024 misasak’alina ho an’ny faritra Androy, Anosy, Atsimo atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany.

Simba ny baka fiampitana any Andrangazaha Iavahibe sy Soanierana Ivongo, ny alin’ny 19 desambra teo. Efa antitra ny milina mampandeha azy, sady tafahoatra koa ny lanja tokony ho zakany. Nidina tany an-toerana ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy Analanjirofo, ary vahaolana noraisina ny nametrahana vonjy maika ny milina « hors-bord ».

Natomboka ny 20 desambra teo ny asa fanorenana ny ZEP, Faritra fanandratana ny fiompiana trondro, any amin’ny amin’ny kaominina Ivahona, distrika Betroka, faritra Anosy. Toerana ahitana dobo famokarana zanatrondro sy fanatavezana, fampiofanana ary laboratoara.Hananganana ZEP manerana ny faritra 24 eto amintsika.

Partager sur: