Mikatsaka mafy ny hahazo fanasana manokana «wild card», hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), any France ny federasiona malagasin’ny atletisma amin’izao fotoana izao. Manakaiky izany i Sidonie Fiadanantsoa, manana ny isa ambony indrindra.
Hanamarika ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’io taona 2024 io, ny lalao Olympika (JO 2024), tanterahina any Paris France. Samy miady mafy hiatrika izany avokoa amin’izao fotoana izao ireo federasiona isanisany. Raha ho an’ny atletisma manokana, mbola hiady ny «minima» ahazoana ny tapakila amin’izany izy ireo mandritra ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana ny volana marsa ho avy izao. Manify ihany anefa ny herijika hahazoana izany na ampaham-potoana kely aza ny tsy ahazoan’i Sidonie izany.
Na izany aza, tsara toerana hahazo fanasana manokana «wild card», avy amin’ny Komity iraisam-pirenena olympika (CIO) ny tovovavy, noho ny zava-bitany sy ny isa azony nandritra ireo fifaninanana rehetra nataony. Raha tsiahivina, tsara ny vokatra azony nandritra ity taona 2023 ity. Teo ny nandrombahany ny medaly volamena, teo amin’ny halavirana 100 m misy fefy tany amin’ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay, notanterahina tany RD Congo, ny volana jolay lasa teo.
Anisan’ny nampisongadina azy koa ny nahazoany ny medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), natao teto Madagasikara. Mbola manana herijika hiatrika izany lalao Olympika izany koa i Claudine Nomenjanahary. Tsiahivina fa samy atleta manaraka fiofanana any amin’ny ivontoerana any Dakar Senegal avokoa izy mirahavavy ireo. Marihina fa hatramin’izay, saika tamin’ny alalan’io fanasana manokana io hatrany ny nandehanan’ireo atleta malagasy miatrika ny lalao Olympika. Inoana amin’ity fa hisy solontena malagasy na iray monja aza, hiaro ny voninahi-pirenena any amin’ity fihaonana an-tampony amin’ny fanatajahantena ity.
Tompondaka