Nisitraka fanomezana avy amin’ny fianakaviana Rajoelina ireo mponina eny amin’ny fokontany, Ambatobe, ny sabotsy teo. Nampanantena ny filoha fa hatsangana ny toera-pitsaboana maimaimpoana sy ny foibe fanofanana. Eo koa ny jiro sy ny fanasan-damba ary ny zaridaina… “Hatao fokontany maodely ny ety Ambatobe“, hoy ny filoha Rajoelina.
Efa nivoaka ny gazety “Feon’ny demokrasia”. An’habaka izany ary natao hanehoana hevitra malalaka anaty fifanajana. Miisa 23 ireo mpiasa manerana ny Nosy misahana ity gazety ity ary anaty tranokala iray voaaro manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany.
Nodimandry teo amin’ny faha 50 taony ny mpanao gazety, i Donga William. Niasa teo anivon’ny RNM ny tenany ary lefitry ny tonian-dahatsoratra. Efa nentina any Vohemar ny faran’ny herinandro teo ny nofo mangatsikany rehefa nampandalovina teo amin’ny RNM.
Mitaky ny marina momba ilay “Raharaha” tetsy Andohanimandroseza ka nahafaty ireo ambara fa jiolahy ireo ray aman-dreny ara-drazana, avy any Toliary. Nambaran’izy ireo fa telo ireo zanak’izy ireo lavo tamin’iny fotoana iny.