Samy nanana ny endrika nankalazany ny Krismasy ny rehetra. Tao ireo namonjy ny fiangonana ary saika tomefy olona ny tempoly omaly. Ny hafa kosa nitsangantsangana nameno an’Analakely sy ny manodidina, nihanoka ireo karazan-kilalao ho an’ny ankizy hita eny Analakely, araka ny efa nampahafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ny tokantrano sasany nisafidy ny hivoaka kely ny renivohitra nanararaotra ny faran’ny herinandro lavalava sy niala kely ny rotorotom-piainana. Nisy koa anefa ireo tsy maintsy miasa toy ireo toeram-pisakafoana, hopitaly sy toeram-pitsaboana, mpitandro filaminana, mpivarotra…
Tazana ihany koa ireo fianakaviana mana-manjo sy fiara nitanjozotra handevina amin’ny andro fety. Ireo tokantrano sasany nidodododo nitady fanafody anaovana vonjy aina ny marary…
Niseho tamin’ny endrika marolafy, araka izany, ny fetin’ny Krismasy, arakaraka ny tandrify azy azy avy. Mitohy ny andavanandrom-piainana manomboka anio, samy miatrika ny asa aman-draharaha indray amin’ity herinandro ity.
Tatiana A