Nandray fepetra manokana ny ATT nandritra ny faran’ny herinandron’ny fety, ahafahana mamaha ny olana sy mampandeha ny raharaha. Mbola hisokatra ny ATT Soarano ny sabotsy 30 desambra ho an’ireo izay hitondra taksiborosy na taxi-be ivelan’ny lalana mahazatra ka haka ny fahazoan-dalana manokana amin’izany.
Amin’izao ankatoky ny fety izao, manafatrafatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny mety hahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo. Anisan’izany ny entana efa lany andro eny an-tsena na ireo sakafo efa simba vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fitehirizana azy.
Hatsaraina ny fitantanana ny fanafody eny anivon’ny tobim-pahasalamana isan’ambaratongany. Napetraka ny rafi-pitantanana ara-kajy mirindra hialana amin’ny gaboraraka sy ny fahaverezan’ireo singa saro-pady amin’ny fahasalamana. Mifanome tanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny JSI hahatontosa izany.
Manamafy ny torolalana amin’ny fampiasana ny dabam-pako ny CUA ao anatin’ny fety. Voalazan’ny lalana fa manomboka amin’ny 4 ka hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny fako eny amin’ny dabam-pako. Andoavana vonodina ny tsy fanarahana antsakany sy andavany izany lamina izany.