Mpahay kanto samihafa, saingy resy lahatry ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara i Elie Ramanankavana ka hizara izany amin’ny alalan’ny tafatafa manodidina ny boky « Jacques Rabemananjara, Œuvre poétique ».
Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny marainan’ny 6 janoary 2024, ny tafatafa sy resadresaka iarahana amin-dRamanankavana Elie, mahakasika ny boky “Jacques Rabemananjara, Oeuvre Poétique”, nosoratan-dRanaivoson Dominique. « Tsapako fa omaly dia efa rahampitso ny tonokalo sy haisoratra Malagasy. Very ka nahita ny lalako tao anatin’ny tonokalon’i Jacques Rabemananjara aho, rehefa namerina namaky ny asa sorany », hoy Ramanakavana Elie, Malagasy mpaka sary pika anisan’ny sangany. Raha tsiahivina, hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 110 taona nahaterahan’ny Jacques Rabemananjara izao hetsika izao.
Anisan’ny andrarezina, ary Raiben’ny haisoratra sy literatiora malagasy i Jacques Rabemananjara. Mpahay kanto misehatra ivelan’ny haisoratra sy ny literatiora Ramanakavana Elie, saingy hitondra tafa sy resadresaka mahakasika ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara nohon’ny fahareseny lahatra ny fahaizan’ity andrarezin’ny haisoratra sy literatiora malagasy ity. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanentanana ny rehetra ho liana amin’ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara, amin’ny olon’ny literatiora sy ny tantaram-pirenena azy. Ankoatra izay, asongadina amin’izany ny fifandraisana misy eo amin’ny dia ara-politikan’ny poeta sy ny asa sorany naharihary tao amin’ny sanganasan’i Dominique Ranaivoson. « Avy amin’ny moderina izay nihoatra ny mpiara-belona taminy ny lehilahy… ny maoderina feno habibiana… habibiana mahafinaritra… izay voafantsika tanteraka hatrany anaty taolana sy ra », hoy Ramanankavana Elie.
Anisan’ny tena fanontaniana ho valin’i Elie Ramanankavana, mandritra ity tafatafa ity, ny fanontanina manao hoe « Ahoana no hitondran’ny tononkalo ny fiainana ankoatra ny fitantarana tsotra? Ary ahoana ny manova ny tononkalo ho tantara » ? Mpianatra, Mpanoratra, Poeta. Ireo no tena kendrena sy tiliana ao anatin’izao hetsika izao.
Lin