Jeneraly Ramakavelo Désiré: hamafisina ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka

Olana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ankehitriny ny tsy fisian’ny fifampiresahana sy ny tsy fifampitokisana. Anisan’ny manova izany ny firoboroboan’ny teknolojia.

 “Tsy ny ankizy no maditra fa ny ray aman-dreny no tsy mahay manabe”, hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré, raha nanontaniana. Mitaraina mahakasika izany ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny raha ny zava-misy. Manomboka eo amin’ny fahadolantsenton’ny ankizy, eo anelanelan’ny kilasy fahenina hatramin’ny kilasy famaranana izany. Fandavana avy hatrany no setriny raha vao miteny amin’ny ray aman-dreny ny tanora, raha ny fanadihadiana natao. Tsy manaiky ny zanany hanana namana ivelan’ny tokantrano ny ray aman-dreny. Fa ny fianarana ihany aloha no tokony hatrehina. Tsy manana fotoana ihany koa ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana. Tsy misy fotoana hifampiresahana amin’ny zanaka ao an-trano satria sahirana amin’ny fitadiavana. Hinan-kanina sy hatory fotsiny sisa ny ao an-tokantrano. Tsy ampy fahalalana sy tsy manana fahatokisana amin’ny zanany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Raha vao mahita tovolahy sy tovovavy miaraka, mpisipa avy hatrany ny ao an-tsaina. “Mpinamana fa tsy sipa no ilaina ho an’ny ankizy manomboka eo amin’ny faha-11 hatramin’ny 18 taona”, hoy hatrany izy. Mifampitarika amin’ny tsara , vita ny fianarana. Ankoatra izay, rafitry ny fiarahamonina misy ankehitriny ny fiarahamonina hita maso fa tsy afaka hatrehina. “Anisan’ny mampiova ny rafitry ny fiarahamonina ny firoboroboan’ny teknolojia noho ny tsy fisian’ny fifampiresahana intsony eo anivon’ny tokantrano”, hoy hatrany izy. Vokany, tsy tamana an-trano ny zaza. Misokatra amin’ny any ivelan’ny tokantrano ihany koa ny fony sy ny sainy. Aleon’ny ankizy sy ny tanora, noho izany, mifampiresaka amin’ny olona any amin’ny arivo kilometra sy tsy hitan’ny maso ao anatin’ny tambajotra sosialy. Anisan’ny manefy ny sain’ny ankizy sy ny tanora ankehitriny izany. Malalaka amin’ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, mahita zava-baovao amin’ny fifampiresahana izy ireo. Vahaolana ny tokony hametrahana fitokisana sy fifampiresahana amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny mba hialana amin’ireo olana ireo.

Fiovan’ny tsirim-panentana

Fotoana hivelaran’ny maha olona sy ny maha izy azy ny ankizy iray ny fotoan’ny adolantsento. Manakana azy tsy manoro ny fiovan’ny tsirim-panentana amin’ny vatan’ny ankizy iray ny ray aman-dreny. Ataony avokoa ny zava-drehetra nandrarana azy rehefa tsy nisy fanazavana avy amin’ny ray aman-dreny raha ny zava-misy. Amin’ireo fotoana ireo indrindra, tsara resahina sy hotoro ny ankizy ny fitandremana tsara tokony hataony. Manomboka mitsiry ny nono ary mandeha fadimbolana ny ankizivavy kely. Tokony ho lazain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, fa efa arifomba ny vatan’ny ankizivavy, ary vonona amin’ny fitondrana vohoka. Rehefa fotoan’ny fadimbolana…

Olana manodidina ny 14 taona dia efa manala zaza amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Ankizilahy kely 15 taona no nahabevohoka azy, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Tsy maintsy atao ny raharaha avy eo. Efa voa avokoa ny zaza vao terena izy ireo hanao raharaha.

Hampianarina hanaja ny zaza

Fomba fitenin’ny olona ankehitriny ny manompa sy miteny ratsy ary ny fanambaniana. Maro amin’ny ray aman-dreny ny miantso ny zanany amin’ny hoe: “tena”, raha ny zava-misy. Tsy misy fahalalam-pomba sy tsy fifanajana miditra amin’ny ankizy vokatr’izany.

Matoa ny zaza tsy manaja ny ray aman-dreny, tsy manaja ny zanany ny ray aman-dreny. “Tsy maintsy ampianarina hanaja ny zaza, fa tsy maintsy hajaina ihany koa izy ireny”, hoy hatrany izy.  Anisan’izany ny fampianarana azy hanao azafady rehefa mandalo olon-dehibe, manao tompoko rehefa antsoina.

Ankoatra izay, hanabeazan’ny ray aman-dreny ny zanany, amin’izao fotoana izao, ny fanabeazana taloha. Nilaza izy fa antony mahavery sy tsy mahalasa ny ankizy ankehitriny izany.

Tsy mila taona ny fanomezana finday ny zaza

Tsy misy taonany ny fanomezana finday ho an’ny ankizy sy ny tanora. Omena izany izy rehefa hita fa ilainy eo amin’ny fiainany izany. Nohamafisin’ny jeneraly hatrany fa mila hatoro sy hazavaina azy tsara ny fampiasana ireny fitaovana ireny. Manapotika  ny fiainana ihany koa ny tsy fahafehezana izany. Miova  ihany koa anefa ny toe-po sy toe-tsain’ny ankizy ny tsy fanomezan’ny ray aman-dreny ireny fitaovana ireny. Mety hangalatra, mandainga, ny tsy fanomezana azy izany.

 

Nanantontosa: Mino

Partager sur: