Lalam-pirenena fahefatra: nohamafisina ny fandriampahalemana

Taorian’ny fanafihana taksiborosy teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, nampitovy tadin-dokanga ho fisorohana ny tsy fandriampahalemana ireo mpisehatra voakasik’izany ka nampahatsiahy ireo lamina napetraka ary namolavola paikady vaovao hampiharina.

Anisan’ny nidina ifotony teny amin’ny tobim-piantsonana nasionaly, tao Aranta Mahajanga, ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, ny minisiteran’ny Fitaterana ary ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety.

Asiana mpanara-maso eny amin’ireo toerana mainty izay lasibatry ny fanafihana ary hisy ny fivezivezena  ataon’ny zandary amin’ny toeran-kafa. Alana ny tohatra fiakarana aoriana amin’ny fiara fitaterana. Soloina fitaratra tsotra fa tsy « opaque » intsony ny fiara ao aoriana ho an’ny fiara fitaterana. Niverenana nozaraina ny laharan’ny findain’ny zandary miasa amin’ny lalam-pirenena fahefatra.

Hajaina hatrany ny lamina amin’ny fanaovana « caravane » iarovana ny fiara sy ny mpandeha amin’ny dahalo mpanafika fiara. Nohamafisina ihany koa ny fanentanana amin’ny fanajana ny hafainganam-pandeha hiarovana ny ain’ny mpandeha.

Mampitaintaina ny mpandeha ny trangana fanafihana ary tsy mampilamin-tsaina mandritra ny dia. Anisan’ny lasibatra matetika amin’ny fanafihan-jiolahy ny lalam-pirenena fahefatra ka rariny ny fepetra manokana noraisina hisian’ny fandriampahalemana.

Tatiana A

Partager sur: