Hanao ahoana ny ho firafitry ny governemanta vaovao? Fe-potoam-piasana vaovao izao, dingana vaovao, fomba fiasa vaovao… Hisy ihany ny hoe fisokafana amin’izany? Ho hita eo… Velona indray ny adihevitra, ady sisika, ady toerana… Anisan’ny mahazatra ny sasany amin’ny toy izao ny fifandanjana isam-paritra na foko. Tsy maintsy misy solontena isam-paritra na isam-poko ve vao mandroso i Madagasikara? Anisan’ny mahatonga izany, ohatra, ny tarazon’ny zarazarao hanjakana, fa misy tsy mahalala afa-tsy ny faritra niaviany; eny, na omena andraikitra hisahana an’i Madagasikara manontolo aza.
Sao izany no anisan’ny tsy mampandroso? Tsy maintsy asiana solontena isam-paritra na foko izay atao rehetra hatramin’ny ekipa mpilalao amin’itsy na iroa aza, ohatra, na fampiakarana mariboninahitra. Eny, na misy aza ny zary famenoana isa fotsiny amin’izany. Raha tena iainana ny hoe iray ihany ny Malagasy, tsy inona na tsy mavesa-danja loatra izay fifandanjana isam-paritra. Mandeha ho azy amin’izany ny hoe ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy izay atao. Tsy mbola mahafa-bela tanteraka ny tarazo navelan’ny mpanjanatany nampiady ny samy Malagasy amin’ny resaka foko sy fiaviana?
Tsy aleo izay mahay sy azo antoka fa hahomby no omena andraikitra? Na iza izy na iza, na avy aiza na avy aiza… Fampandrosoana miaraka sy manontolo no atao. Misy hadino na tsy ahoana firy ao, matoa mbola misy ny miady sisiny sy miady sisika amin’ny fifandanjana isam-paritra na foko? Nefa hoe tsy misy distrika sy kaominina hadino amin’ny asa fampandrosoana. Na mbola tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny hoe fitsinjaram-pahefana tena izy? Fiovana andrasana sy antenaina amin’izao izany, fa iray ihany ny Malagasy: miara-mihetsika, miara-miasa, miara-mandroso…
R. Nd.