Nitrangana hala-jaza indray tao amin’ny fokontany Bekinana, kaominina ambanivohitr’Ankilivalo, distrikan’i Morondava, ny 21 desambra 2023 lasa teo. Tsy hitan’ny ray aman-dreniny io zaza io ka tonga nampandre ireo miaramila ao amin’ny faripiarovana sy filaminana Tsiribihina izy ireo. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny vela-pandrika amin’ireo olona ahina ho mety ho nahavanon-doza ny miaramila. Nametraka ny paikady rehetra, araka izany, ny miaramila ka voamarina ny fisian’ny halatra. Vokany, tratra tao amina tranona lehilahy iray monina ao Avaradrova Morondava, io zazakely io. Nolazainy fa ny mpitaizan’io zaza io ihany no nahavanon-doza sy niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ireo. Teny an-dalana hoentina hanaovana famotorana ireto jiolahy ireto no nanohitra ireo miaramila ka nikasa handositra. Voatery nitifitra ireo miaramila nitondra azy ireo ka lavo ny jiolahy mpangala-jaza. Naterina any amin’ny zandary mpanao famotorana kosa ilay vehivavy nanao ny heloka. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
J.C