Tsy tana ny ain’ny zazalahy 5 taona, tao amin’ny kaominina Farahalana, distrikan’i Sambava, ny 24 desambra teo. Hividy gilasy io zazalahy io ka tra-doza tampoka. Nierikerika teny amin’ny sisin-dalana ka nianjera tao anaty apombo nirehitra. Tafiditra tao afovoan’ny afo io zaza io ka nifamonjen’ny manodidina. Voakasiky ny afo anefa ny fitombenan’ilay zazalahy sy ny faritra maromaro tamin’ny vatany. May tanteraka izy ka notsaboin’ny mpitsabo tao an-toerana. Vokatry ny voina mafy nahazo io zaza io, tsy tana ny ainy ka niafara tamin’ny fahafatesany. Marihina fa vao herinandro no nahatongavan’io zaza io tao ambanivohitr’i Farahalana kinanjo izao niharan-doza izao izy. Tsy fantatra ny nandoro ireo apombo niteraka ny loza.
Tsiferana R.