Sombim-baovao

Norombahin’ny Manchester City, anglisy klioba ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ireo klioba “Mondial de Club 2023”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Fluminense Brezila ekipa. Marihina fa nahazo amboara efatra ny Manchester City tamin’ny taom-pilalaovana 2022-2023.

Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny  fihaonana teo amin’ny Arsenal FC sy ny Liverpool FC, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”. Niakatra eo amin’ny laharana voalohany, araka izany, ny Arsenal FC ary nidina ho faharoa ny Liverpool. Marihina fa fahefatra ny Manchester City, tompondaka farany.

Nikarakara fiofanana basikety ho an’ny mpilalao latsaky ny 16 taona lahy sy vavy, ny eo anivon’ny CEBB Analamanga, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Lehilahy mpilalao 90 sy vehivavy 68 ary mpanazatra 15 no nandray anjara tamin’izany, teny amin’ny kianjan’Ankatso.

Handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja lomano 2024, Raharvel Jonathan sy Tendrinavalona Idealy. Fifaninanana hatao any Doha, ny 2 hatramin’ny 15 febroary 2024. Anisan’ny tsara toerana hiatrika ny « JO 2024 » ireto Malagasy mpilomano ireto.

Partager sur: