Taratry ny kanto

« Escalader le ciel ». Mitohy hatramin’ny 14 janoary 2024, ny fandraisana anjara amin’ny « Concours International d’écriture Chansons sans frontières », andiany faha-18. Fifaninanana lahatsoratra sy hira amin’ny teny Frantsay, natao ho an’ny olona rehetra monina ivelan’ny Frantsa, indrindra ny aty Afrika. « Escalader le ciel » no lohahevitr’ity andiany faha-18 ity.

« Prix Paritana ». Misokatra ny 8 janoary 2024 hatramin’ny 25 febroary 2024, ny fandraisana anjara ho an’ny fifaninanana « Prix Paritana », andiany faha-8. Fifaninana natao hanohanana ireo mpahay kanto monina eto Madagasikara. Hisy ny fanofanana sy fanampiana ireo tetikasa telo voalohany amin’ny fifaninanana.

Niady, fa tsy tafakatra ny « Miss Madagascar ». Ilay tovovavy solontenan’i Albanie no nisalotra ny “Miss Earth 2023”. Niady saingy tsy nisalotra anaram-boninahitra i Fifaliana Valisoa Ratsimbazafy, solontena malagasy. Naharitra andro maromaro no niady ny voninahi-pirenena tany Vietnam ity solontena malagasy ity. Anisan’ireo valo nisongadina tamin’ireo 85 nifaninana i Fifaliana nandritra izany.

Samoëla any Bongolava. Nafana ny fiarahana tao amin’ny fanamarihana ny fanombohana ny faha-20 taonan’ny Piment Café Behoririka. Mbola hotohizan’i Samöela sy ny tariny ao amin’ny Tranompokonolona Tsiroanomandidy izany, ny zoma 29 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana hizaran’ity mpanakanto ity ireo vokatra faramparany izany.

Partager sur: