Vaovao tambatra

Manodidina ny 10,5% ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny hatramin’ny volana aogositra 2023, araka ny fanadihadian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny anton’ny fitotongan’ny sandam-bola Ariary. Tokony ho 9,5% ny vinavinany ny tany am-boalohany. Ho an’ny Ivontoeran’ny antontanisam-pirenana Instat, anefa, 8,5% ny tarehimarika navoakany. Tsy mbola nivoaka ny antontanisa farany ho an’ny taona 2023. Hita kosa anefa fa efa misanda mihoatra ny 5.000 Ar ny 1 euro, izay dingana tsy mbola nisy hatramin’izay.

Miisa 100 ny tanora tantsaha, nisitraka ny titra tany « titre vert », any amin’ny kaominina Andilanatoby, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Mahazo velaran-tany 1 ha tsirairay izy ireo, ka misy ny masontsivana hisitrahana izany. Rehefa mahomby ny fanajariana ny tany sady mahomby ny fihariana, toy ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin’ny 3 taona, dia homena azy ireo ny taratasy titra tany. Fihariana fanampiny hataon’izy ireo ny fiompiana bitro sy akoho gasy.

Partager sur: