Vao avy namita sazy teny Antanimora, nahatrarana basy mahery vaika sahady ny jiolahy raindahiny iray tetsy amin’ny fokontany Soamanandrariny, kaominina Ambohimangakely, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao Ambohimangakely fa mihazona fitaovam-piadiana ny lehilahy iray. Nidina ifotony nisava ny trano fonenan’io olona voatondro io, araka izany, izy ireo. Tratra tao amin’ilay jiolahy tokoa ny basy poleta 7, 65 mm. Nafeniny nandritra ny fotoana nigadrany io basy io. Navoakany indray izany folo volana taty aoriana. Nokasainy hampiasana amin’ny asa ratsy fanaony.
Basin’ny jiolahy efa lavo
Jiolahy raindahiny iray efa lavon’ny zandary teny Itaosy, roa taona lasa teo, no tompon’io basy io. Tsy fantatra, araka izany, ny nahatongavan’ilay fitaovam-piadiana teny ampelatanan’ity jiolahy iray voasambotra afakomaly ity. Efa nohazoniny nandritra ny roa taona tany aminy io basy poleta io. Nentina natao famotorana ity farany ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Hiverina ho tazomina vonjimaika eny am-ponja indray izy aorian’izay.
Tsiferana R.