Navoakan’ny vaomieran’ny mpitsara baolina eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), omaly talata, ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena “Can 2024”. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire, manomboka ny 13 janoary ho avy izao. Anisan’ireo manana solontena amin’izany ny Malagasy na tsy mandray anjara amin’ity fihaonana antampony aty Afrika ity aza ny Barea de Madagascar.
Tafiditra ao anatin’ireo mpitsara an-jorony miisa 30 notendren’ny CAF Andriatianarivelo Dimbiniaina. Tsiahivina fa efa mpitsara iraisam-pirenena tao anaty lisitry ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) ny tovolahy, hatramin’ny taona 2019. Efa nandray anjara tamin’ny fitsarana ireo lalao maro, toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipa tompondaka sy ny amboaran’ny kaonfederasiona. Efa nitsara ny Can U.23, tamin’ity taona 2023 ity.
Marihina fa mahatratra 68 ny isan’ireo mpitsara baolina kitra hitantana ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena ity. Miisa 26 ireo mpitsara afovoany raha 30 ireo eny an-jorony. 12 kosa ireo hisahana ny VAR (Video Assistant Referees). Haharitra hatramin’ny 11 febroary ity Can 2024, tanterahina any Côte d’Ivoire, ity.
Tompondaka