Fifaninanana karakarain’ny fikambanana fusaca, miaraka amin’ny Organisation international française (OIF), ho an’ny mpahay kanto mihira, amin’ny tany rehetra mampiasa ny teny frantsay ny « Concours international d’écriture. Chansons sans frontières ». Miditra amin’ny andiany faha-18 ny fifaninanana amin’io taona 2024 io, ary lohahevitra amin’izany ny hoe « Escalader le ciel ». Tanjon’ny fifaninanana ny hitilina sy hanomezana sehatra sy fanararaotra ho an’ny mpanatalenta nefa tsy manana fahafahana hanao izany. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, ny Institut français de Madagascar (IFM) no miandraikitra izany.
Misokatra ho an’ny rehetra, manerana izao tontolo izao, ankoatra ny mipetraka ao amin’ny renivohitr’i Frantsa, ny « Concours International d’écriture. Chansons sans frontières ». Anisan’ny sivana hifantenana ny mpandresy ihany koa ny tsy maha matihanina azy eo amin’ny mozika.
Hisy sokajy telo ny fifaninanana, ny voalohany ho an’izay manana ny teny frantsay ho teny reny, ny faharoa ho an’ny mampiasa ny teny frantsay fotsiny ary ny fahatelo ho an’izay manana ray aman-dreny teratany frantsay ny iray. Ny roa voalohany amin’ireo sokajy ireo no mahazo ny loka sy amboara avy amin’ny mpikarakara.
Fifaninanana ahitana zavatra maro ara-javakanto, kolontsaina ary foko sy fiaviana izay mikendry ny hampiroborobo ny fifanakalozana sy ny fifaneraserana eo amin’ny kolontsaina ny « Chansons sans frontières ». Amin’ny alalan’ny fiteny iombonana sy ny mozika, manolotra sehatra malalaka hanehoana hevitra, fifanakalozana, firaisan-kina ary fahasamihafan’ny kolontsaina ihany koa izy.
Lin