Cité International des Arts: mifarana ny fikarohan’i Ashiko Ratovo

Fahombiazana no azo ilazana ny fampirantiana « Sans abri », nataon’i Ashiko Ratovo na Ratovohery Toavina tao amin’ny Fondation H tao Paris, Frantsa, ny 13 hatramin’ny 22 desambra 2023. Raha tsiahivina, fampiharana ny niofanany sy ny voka-pikarohany iny naranty iny. Ankoatra ireo Malagasy any an-toerana, maro ny vahiny tonga nitsidika sy liana tamin’izany.

Tetikasa nahazo ny laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana “Prix Paritana”, andiany fahafito ny “Tsy manan-kialofana, Sans Abri”, an’i Ashiko Ratovo. Vokatr’izany, nahazo vatsim-pianarana ahafahany manao fikarohana sy fandalinana ho an’ity tetikasany ity i Ashiko Ratovo, ao amin’ny Cité Internationale des Arts ao Paris, nandritra ny 2 volana. Ny fampirantiana no nifarana ny 22 desambra 2023, saingy anio kosa vao mifarana ny fivahinianany ao amin’ny Cité International des Arts. Hisy ny fampirantiana hataony, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2024. Fampirantiana mitovy amin’ny nataony tao amin’ny Fondation H Paris ihany.

Lin

Partager sur: