Nampita hafatra noho ny fetin’ny Noely ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Nambarany fa ilaina ny fanetren-tena ary mametraka ny fiainan’ny firenena. “Fandaminana avy amin’ny Tompo ny zava-miseho ary aza matahotra. Aoka hanaiky ny sedra“, hoy izy.
Vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra ho avy ny antoko Tsara Tahafina, tarihin’i Paraina Auguste. “Tsy olana na hitambatra hiaraka amin’ny hafa na handeha irery raha tsy misy ny fifandaminana amin’izany“, hoy izy. Tsiahivina fa mbola eo anivon’ny C11 ny tenany.
Napetraka ny fandaminana momba ny fizarana karatra fidirana ho TGV any Toamasina. Tafiditra amin’ny fitandroana ny filaminana izany ka hanomboka anio hatramin’ny sabotsy izao amin’ireo toerana efa voatondro mialoha izany.
Nametraka fitoriana ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Raholdina Naivo, manoloana ny fisandohana ny kaontiny ao amin’ny tambajotran-tserasera. Nahitsy ny tenany nilaza fa tsy hitsitsy ary hiharan’ny lalàna momba ny heloka ana habaka ireo nanao izany.