Notanterahina teny amin’ny Boulodrome Para Ivato, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana “Grand Open ABMI”, taranja tsipy kanetibe. Nahatratra 149 ny isan’ireo ekipa nandray anjara tamin’izany. Nataon’ny Club amical bouliste Mandrosoa Ivato (ABMI) ho fahatsiarovana an’itompokolahy jeneraly Rarivomanana Tahiry, ity fifanintsanana ity, ary mba ho fanomezana sehatra ireo olona rehetra maniry ny handray anjara. Tsiahivina fa nosokajiana ho sokajy efatra ireto mpandray anjara ireto. Nisy ny sokajy “seniors”, lahy sy vavy, ny “juniors” ary ny “vétérans”.
Norombahin’i Tovo sy i Ndrema ny lelavola 350 000 Ariary sy ny amboara lehibe, ho an’ny sokajy zokiny “vétérans” izay iarahan’olon-droa, “doublettes”. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 11 no ho 0 ry Hery sy Radany. Nahazo medaly sy lelavola 150 000 Ariary ireto ekipa resy teo amin’ny famaranana ireto. Tsara marihina fa noho ny haratsian’ny toetr’andro, tsy vita ny lalao famaranana ho an’ireo sokajy hafa. Araka ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, natao antsapaka ireo ekipa efatra tonga tamin’ny manasa-dalana ka izay roa voasarika no nahazo ny medaly sy ny amboara.
Fitia Randria