Indray mijery

Hitoetra amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, amin’ny ankapobeny, ny oram-baratra ary hiitatra saika manerana ny Nosy izany, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Hisy fidinana ny maripana farany ambony ho an’ny afovoantany sy any atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro.

Anisan’ny mety hahatonga fahapoizinana ara-tsakafo ny menaka. Hisorohana izany, tsy azo ampiasaina mihoatra ny indroa ny menaka efa nanendasana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampiroboroboana ny fahasalamana, eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Matetika ireo trano fisakafoana manana fitaovana fanendasana lehibe no mamerina ny menaka, satria betsaka ny fatrana menaka indray ampiasaina.

Torohevitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny tokony hanaovana fanatanjahantena aorian’ny fety. Mampihena ny tavy, misoroka ny aretin’ny fo sy ny lalandra (tosidra ambony, AVC…), manala rarintsaina, mampitombo ny herim-batana sy ny fahatokisan-tena iatrehana ny asa fanao andavanandro ny fanaovana izany. Tsy tokony hadinoina ny misotro rano sy mihinana voankazo.

Nitsidika ny zaza kambotin’ny polisim-pirenena ny masoivohona’i Sina, Zhang Wei, ny sabotsy teo. Ny volana novambra teo, nisy ny tohana avy aminy ho an’ireo ankizy ireo. Niarahana tamin’ny fikambanana Amitié Madagascar-Chine, izay tarihin’ny jeneraly Rakotonirina Johanesa.

Partager sur: