Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra D1, ny CFEM, amin’izao fotoana izao. Ho anisan’ireo hanatevina ireo ekipa hiady izany anaram-boninahitra izany ny KFCA Diana sy ny FC Vakinankaratra.
Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de foot-ball élite de Madagascar, ny zoma 22 desambra lasa teo, teny Andoharanofotsy, fa raha ny tokony ho izy, ho anisan’ireo klioba hifaninana amin’ny «Pro league», taom-pilalaovana 2024, ny KFCA Diana sy ny FC Vakinankaratra. Raha tsiahivina, tompondakan’ny D2 National ny ekipan’i Diana ary faharoa ry zareo avy any Antsirabe, nandritra ny taom-pilalaovana lasa. Tsiahivina, fa misahana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny D1 ny CFEM.
Nomarihin-dRakotoarimanana Henintsoa fa mbola miandry ny fankatoavan’ny fivoriamben’ity rafitra misahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ireo ekipa roa ireo, vao azo raisina. Ankoatra izay, mbola takina amin’izy ireo ihany koa ny «licence de club» izay avy amin’ny federasiona malagasy (FMF), hahazoana miatrika izany «Pro league» izany.
Raha mizotra amin’ny ara-dalàna ny fitsipika, hameno ny isan’ny ekipa ho 16 hifaninana amin’ny «Pro league 2024», izany ny KFCA Diana sy ny FC Vakinankaratra. Nanamarika kosa ny filohan’ny CFEM fa mety hampitomboina ho 18 ireo klioba hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara saingy miankina amin’ny fivorian’ny mpikambana ny fanapahana izany. Hisy fanamboarana ihany koa ny amin’ny fomba hanatontosana ny lalao amin’ireo kaonferansy avaratra sy atsimo ka hitondrana zava-baovao. Mba hampiakatra ny lentan’ny fifaninanana ho avo roa heny, noho izay efa nisy teo aloha, ny anton’izany rehetra izany raha ny nolazain-dRakotoarimanana Henintsoa, mpitantana ny CFEM.
Raha tsy misy ny fiovana, voalahatra hanomboka ny volana febroary ho avy izao ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity.
Tompondaka