Miova andriana !

Miova sata, miova andriana…sa miova andriana ka manova sata? Samy mety hilazana ny zava-misy momba ny tontolo politika eto amin’ny firenena ireo. Iza tokoa no tsy sasa-miandry izay ho firafitry ny governemanta vaovao ho avy eo? Izay tsy misy mipika hatramin’izao ny ho mpikambana ao anatiny. Ny governemanta izay nametra-pialana no mahatonga ny tombantombana sy ny feo miely etsy sy eroa.

Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, samirery miaraka amin’izay mety ho olom-bitsy itokisany no mahalala izay. Anarana mbola miverimberina matetika i Ntsay Christian, praiminisitra teo aloha. Olona niara-nihosina tamin’ny fanjakana izay niadidiany tamin’ny fotoam-pitondrany voalohany. Mahalala tsara ny aty vilaniny na ny tsara nahandro na izay noheverina ho manta mohaka.

Malaza ny feo fa ho andriambavilanitra, hono? Inona no maharatsy izany? Ny reny rahateo no fototra ijoroan’ny firenena iray. Tsy lany olo-manga amin’ny vehivavy i Madagasikara. Fitondrana efa nanome vahana ny taranak’i Eva rahateo ny dimy taona voalohany nitondrany. Vehivavy ny 90 %-n’ny tale niasa teny amin’ny Prezidansa.

Vinavina daholo izany amin’izao andro vita fety izao. Miandry izay havoakan’ny amin’ny herinandro ambony Ramalagasy, satria manaja ilay fitoniana amin’ny fankalazana ny fety ny Filoham-pirenena. Ny azo antoka, tsy maintsy misy ny fanovana na tsy maintsy manaja ny fitohizan’ny raharaham-panjakana aza ny filoha voafidim-bahoaka. Indrindra amin’ny fanesorana ireny minisitra hafahafa ireny…ny anarany aza tsy hain’ny vahoaka akory.

Hisantarana izany, izay hivoaka tsy ho ela ny rafitra vaovao sy ny mpitantana hiara-hiasa akaiky amin’ny filoha Rajoelina Andry. Tsy miandry fotoana maharitra izay fa ato ho ato. Tsy handingana ny taona 2023 akory.

r.r

Partager sur: