Natolotra ny fampanoavana omaly, ny jiolahy iray nisoloky ho iraka manokana avy amin’ny Arena, misy ny foibe nasionalin’ny antoko TGV. Ny sabotsy 23 desambra 2023 teo no nisy olona tonga nitaraina tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Arivonimamo, momba ny fisian’ity mpisoloky gagilahy ity. Voaporofo fa ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Morarano sy Ambatomaintikely, fokontany Ankalalahana kaominina ambanivohitr’Arivonimamo II, distrikan’Arivonimamo no misy ity mpisoloky ity. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy. Mody mandresy lahatra amin’ny anaran’ny antoko TGV izy ka roboka tokoa ny ankamaroan’ny olona. Ny fanadihadiana savaranonando natao no nahafantarana fa R. Roger, 54 taona avy ao Tsinjovary, fokontany Merikandrefana Soavinandriana izy. Nilaza ny tenany fa olona 20 isa eo ho eo no efa voasolokiny sady efa nandraisany vola mialohan’ ny nahatongavan’ny polisy. Niaiky izy nandritra ny famotoran’ny polisy fa nanao asa fisolokiana tamin’ny anaran’ny antoko TGV. Nambarany tamin’ireo olona nosolokiany fa raha te hisitraka ny jiro mora nampanantenain’ny filoha Rajoelina dia mila manao famandrihana ka manome vola 1 000Ar tsirairay azy. Vita izay vao misoratra anarana ho mpikambana TGV. Toerana maro ao amin’ny faritr’Itasy no efa nolalovany sy nanaovan’ity jiolahy ity ny asa ratsiny, toy ny tao Soavinandriana, Morafeno, Ambohitrambo, Ampahimanga, Mahatsinjo. Nahitana odiratsy atao hoe « bemanaiky » teny aminy niaraka tamin’ny akanjo fisoloany rehefa avy manao ny asa ratsiny.
J.C