Nandritra ny fetin’ny krismasy: olona efatra namono tena

Vehivavy roa sy lehilahy roa namono tena fa avotry ny mpitsabo tetsy amin’ny HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely teo. Nahitam-pihenana kosa ny antontanisan’ny olona niditra hopitaly.

« Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahazakana sakafo nandritra ny fety sy ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana no tena antony nahamaro ny tranga nidiran’ny olona hopitaly tamin’ity taona ity », hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny HJRA, Rafiliposon Nathalie.  Efatra ireo olona nikasa hamono tena nandritra ny 24 sy 25 desambra lasa teo. Avotra noho ny famonjenan’ny mpitsabo azy avokoa ireo olona ireo. Vehivavy ny roa raha toa ka lehilahy ny roa hafa.

Nahatratra 192 ireo tonga nizaha fahasalamana teo anivon’ny Sampana vonjy taitra eo anivon’ny HJRA, nandritra ny 24 desambra lasa teo. Niditra hopitaly avokoa ny 49 tamin’izy ireo. Roa ny maty. Ho an’ny andron’ny 25 desambra. Tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana :18.  Dimy niditra hopitaly noho ny loza niseho teny anivon’ny fiarahamonina. Efatra ireo loza niseho vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Enina ireo loza an-tokantrano. Iray ny  loza niseho teo anivon’ny tanàn-dehibe.  Fito kosa ny loza hafa vokatry ny aretina.

Sampana vonjy aina

Ho an’ny sampana vonjy aina indray, 13 ireo tonga nizaha fahasalamana. Niditra hopitaly ny iray raha sivy nandalo. Lehilahy roa niditra hopitaly vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, olona fito vokatry ny aretina hafa. Namoy ny ainy, lehilahy telo. Ankoatra izay, nahitana razana niditra, lehilahy iray sy vehivavy roa, teny anivon’ny hopitaly. Tsy nisy kosa ny aretina vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo na tsy fahazakana sakafo. Razana niditra dimy, lehilahy efatra sy vehivavy iray. Mbola misy tsy hita ny fianakavian’izy ireo hatramin’izao, raha ny tatitra voaray hatrany. Mitohy hatrany ny asa fandraisana sy fanatsarana ny kalitao fandraisana ny marary eny anivon’ny sampandraharahan’ny HJRA.

Mino

Partager sur: