Tao anatin’ny 10 volana: nihena ny fanafaran’i Madagasikara vary

Nahitana fidinana ny taham-panafaran’i Madagasikara vary tao anatin’ny folo volana voalohan’ny taona 2023 raha oharina tamin’ny taon-dasa. 

Nihena ny fanafarana vary nataon’i Madagasikara nandritra ny 10 volana voalohan’ny taona, raha ampitahaina tamin’ny taona 2022. Manodidina ny 370 510 t ny vary nafarantsika raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 599 603 t izany tamin’ny taon-dasa, nandritra io vanim-potoana io. Hatramin’izao, mbola anatin’ny fotoana fihenan’ny fanafarana vokatra isika, hoy ny fanazavan’ny foibe mpanara-maso ny vary (ODR). Taham-panafarana isan’ny ambany indrindra tao anatin’ny telo taona farany. Araka ny tatitra fanaony isam-bolana, nilaza ny ODR fa nilatsaka hatrany amin’ny 229 093 t ny taham-panafaran’i Madagasikara tao anatin’ireo vanim-potoana voalaza etsy ambony ireo. Manodidina ny 21 100 t izay mitentina hatrany amin’ny 51 3 miliara Ar kosa ny vary nafarana sy namidy teny an-tsena, ny volana oktobra teo, hoy ny loharanom-baovao iray hafa.

Midina

Antony lehibe nahatonga izao vokatra izao ny filatsahana 3% ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nandritra ny volana oktobra teo. Manomboka miakatra tsikelikely rahateo ny vokatra avy any amin’ny firenena aziatika. Etsy ankilany, vinavinaina hahatratra hatrany amin’ny 6 tapitrisa taonina ny vary akotry eto Madagasikara, ho an’ny taona ho avy, raha ny  tatitry ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2024. Ilaina, araka izany, ny fanitarana ny toeram-pambolem-bary sy ny fizarana masomboly tsara kalitao ho an’ireo mpamokatra hanatanterahana izany. Tsiahivina fa milanja 479 359 t ny totalim-bary nafaran’i Madagasikara ny taona 2020, niakatra ho 629 414 t izany ny taona 2021 raha toa ka nahatratra hatrany amin’ny 744 846t izany tamin’ny taon-dasa.

Henintsoa Hani

Partager sur: